Razanoely Manohisoa, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Hokuriku ao Kanazawa, Ishikawa sy i Rakoroharinaivo Balsama, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Kyoto University of Foreign Studies. Izy roa ireo no nahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta japoney .
Hotanterahina ny 7 sy 8 septambra izao, etsy amin’ny Akoor Digue, ny hetsika “Salon des études Sup’ ” karakarain’ny Madajeune. Fotoana ahafahan’ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea farany teo mamantatra ny oniversite misy ny lalam-piofanana tiany hatao. Sekoly ambony tsy miankina sy oniversitem-panjakana no mandray anjara amin’izany.
Nitondra fampaherezana sy tohana ho an’ireo mpianatra tra-boina vokatry ny haintrano niseho tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana “Mia” izy telo mianadahy ireo. Ao anatin’ny fotoam-panadinana izy ireo ka ilainy amin’ny fiatrehana izany ireo kojakoja natolotra.
Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Novotel Ankorondrano, ny fihaonambem-pirenena mikasika ny tohana ara-tsakafo any an-tsekoly, mifototra amin’ny vokatra eto an-toerana. Efa misy ny fampisakafoana ara-tsakafo ataon’ny fanjakana amin’ireo EPP maro manerana ny Nosy ary hanokanana tetibola mihitsy izany