Iray volan’ny Alzheimer: hetsika maro hampahafantarana ny aretina

Aretin’ny zokiolona efa maherin’ny 60 taona matetika ny Alzheimer. Manomana hetsika maro ny fikambanana Masoandro Mody hampahafantarana ny aretina mandritra ity volana septambra ity.

Tsy diso aloha loatra, tsy mbola tara loatra, alaviro dieny izao”.  Io no lohahevitra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ireo mararin’ny aretina Alzheimer amin’ity volana septambra ity.

Ny 21 septambra izao no tena ivon’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina Alzheimer sy ny aretina mitovitovy aminy izay mpahazo ny zokiolona.

Mialohan’izany kosa dia manomana hetsika maro ny fikambanana Masoandro Mody eny Mahazoarivo, hampahafantarana ny aretina sy ho fanohanana ireo marary sy ny fiankaviany. Ny 8 sy 9 septambra izao no hanaovana ny fampirantiana fanairana momba ny aretina izay hotanterahina eny Ankorondrano.

Fitiliana ny fitadidiana sy fanomezana torohevitra amin’ny dingana tokony hatao kosa no hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny Alzheimer, ny 21 septamba izay hisokatra ho an’ny rehetra.

Ny 23 septambra kosa no hanatanterahana ny vokatsoa ara-pahasalamana entin’ny kilalaon-tsaina iarahana ho an’ny sokajin-taona sy sokajin’olona rehetra.

Mamarana ny fanamarihana ny iray volan’ny hetsika ny 30 septabra ny vokatsoa entin’ny taranja ping-pong  ho an’ireo olona mararin’ny Alzheimer sy ho an’ny hafa izay misy fiantraikany betsaka amin’ny hakingan-tsaina sy ny retsiky ny fitadidiana.

Eto Madagasikara, efa misy ny ivontoerana mandray ny zokiolona tratran’ny aretina Alzheimer eny Mahazoarivo, ao amin’ny fikambanana Masoandro Mody. Misedra olana ny fianakaviana mitaiza ireny zokiolona ireny noho ny fikorontanana misy aminy ka mila tohana amin’ny lafiny maro.

Tatiana A

Partager sur: