Ivontoeram-pikarohana momba ny fanafody: tsy manaiky hakana ny tany misy zava-maniry hitsaboana

Misy olon-tsotra mangataka ny velaran-tany 9 000 m2 anatin’ny faritra misy ny Ivontoeram-pikarohana mahakasika ny fanafody (Cnarp). Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fangalarana ny tany ampiasaina ho an’ny fikarohana eto Madagasikara ka tsy manaiky izany ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo anivon’ny minisitera, Ramanankierana Heriniaina, omaly, teny Ambodivoanjo. Tany efa manana « titre » sy misy « borne », araka ny decret 88-453 ny 22 novambra 1988, ny faritra 3ha misy ny birao sy faritra fambolena ireo zava-maniry hanaovana fikarohana  momba ny fanafody ampiasain’ny mpikaroka ao amin’ny Cnarp. Mahatratra 120 ny karazana zava-maniry tsy misy afa-tsy eto Madagasikara nalaina tamin’ny faritra maro nambolen’ny mpiasan’ny Cnarp hanaovana fikarohana sy hanamboarana fanafody samihafa.

Efa nandeha tamin’ny an-tanan-tohatra rehetra ny Cnarp nanakana ny fangatahana nataon’io olon-tsotra io. Niorina ny taona 1976 ny ivontoerana nefa nambaran’ilay olona nangataka ny tany fa efa nanajary tao izy ireo nanomboka ny taona 1980, hoy ny talen’ny Cnarp, ny profesora Rakotosaona Rianasoambolanoro. Tsy tranga voalohany amin’ny fangalarana ny tany ampiasaina amin’ny fikarohana izao fa niharan’izany koa ny tanin’ny Fofifa sy ny CNRE any Anosibe.

Vonjy A

Partager sur: