Vady miaramila (FIVAMI): “Tsy mifidy salan-taona ny diabeta”

Mitohy ny fizahana fahasalamana tarihin’ny FIVAMI. Notsirihina manokana ny momban’ny aretina diabeta.

Tsy mifidy salan-taona ary miteraka fahajambana sy fahasimban’ny voa mety hiafara amin’ny fanaovana hémodialyse ny aretina diabeta, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny AMADIA, ny  Dr Haja Ramonjisoa, omaly. Ho fitohizan’ny hetsika efa natomboky ny Fikambanan’ny Vady Miaramila tany Antsirabe, nanao fitiliana diabeta faobe ho an’ny miaramila sy ny fianakaviana miaramila izy ireo. Manimba saina ary manakorontana fianam-pianakaviana io aretina io ka antony nisafidianan’ny FIVAMI ny fanatanterahana ny fitiliana teny amin’ny  «Bataillon d’Infanterie d’Antananarivo», teny Fiadanana, sy teny amin’ny Fitaleavana ny Sampandraharahan’ny Fitsaboana Miaramila (DCSSM) etsy Ampahibe.

Hanaraha-maso ny fahasalamana sy ho fisorohana ny voka-dratsy ateraky ny diabeta izao hetsika izao. Marihina fa nitarika ny hetsika ny Filoham-boninahitry ny vady miaramila, Rakotoarijaona Lydia izay vadin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, notronon’ireo mpiara-miasa aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: