Firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina: nametraka fitoriana  ny HVM sy ny Tim ary ny MMM

Nitory eny amin’ny HCC ny antoko HVM  sy ny MMM ary ny Tim, hanakanana ny fankatoavana ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina.

Nambaran’ ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré, teny Ambohidahy fa efa nivoaka ny didin’ny governemanta frantsay momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina zom-pirenena frantsay. Anisan’ny nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika teo anivon’ny HCC izy. “Tsy Malagasy izy, fa vazaha”, hoy ny HVM.

Manana zo hitory mba tsy hankatoavana ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina izy ireo.

Etsy andaniny, nametraka fitoriana koa ny MMM, omaly. Nambaran’izy ireo fa natao izany mba ho fanajana ny tany tan-dalàna manoloana ny maha vazaha ny filoha am-perinasa. “Tsy nahafeno ny fepetra takin’ny lalàna maha kandidà azy Rajoelina noho izy tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy. Voaporofo avokoa izany“, hoy ny mpisolovava ny MMM, ny Me Rakotomalala Rija. Efa nialohavan’ny fitorian’izy ireo teny Anosy izany. Eo koa ny momba ny “Certificat de nationalité“. Tokony misy fanapahana-kevitry ny fitsarana  vao afaka mandray izany sy manao sonia ny minisitry ny Fitsarana. Nametraka fitoriana teny amin’ny HCC koa ny Tim ary mitovy amin’ireo nataon’ny antoko hafa ireo koa ny antony.

R. Nd. sy i Synèse R.

Partager sur: