Voina nahafatesana olona 12 tetsy Mahamasina: nankaherezin’ny filoha Rajoelina mivady ireo tra-pahoriana

Nampahery ny fianakavian’ireo namoy havana tamin’ilay fifanosehana tetsy Mahamasina, tamin’ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy (JIOI) ny filoha Rajoelina mivady. Noraisina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy ireo.

Naneho ny fiaraha-miory sy nampahery ny fianakaviana ny filohan’ny Repoblika. Nialoha izany ny fitantaran’ireo havan’ny maty ny zava-nitranga tamin’ny fidirana ny vavahady ka niteraka ny fahafatesan’olona maro tahaka iny. “Novohaina sy nohidina izany ary novahaina midanadana tanteraka avy eo. Raikitra ny fifanosehana ka niafara tamin’ireny izany…  “, hoy ny sasany amin’izy ireo, tao anatin’ny alahelo tanteraka.  Nankasitraka izao fihetsiky ny filoham-pirenena izao ny solontenan’ny fianakaviana rehetra, tamin’ny fandraisam-pitenenany, indrindra tamin’ny fao-dranomaso ho an’ny velona.

Nampahery azy ireo hatrany ny filoha indrindra ny amin’ny hanankinana amin’Andriamantra izany rehetra izany. Nanambara koa ny tenany fa tena nalahelo tanteraka izy mivady na tsy fianakaviana aza ireo niharam-boina ireo. “Tsy maintsy noraisina ny andraikitra ka antony nandefasana ireo tomponandraikitra  rehetra teny an-toerana izany tamin’iny voina iny…”, hoy izy.

Miisa 12 ireo namoy ny ainy…

Notsiahiviny koa fa efa nisy ny dinika nifanaovan’ireto fianakaviana nanana ny maty sy ny naratra ireto tamin’ny mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanteriny fa efa nandray ny andraikitra ireo minisitera isan-tokony  ka hojerena sy harahina akaiky ny momba ireo mbola manana olana taorian’iny loza nitranga iny, araka ny nambarany hatrany.

Tsiahivina fa miisa 12 ireo maty tamin’iny loza iny raha 80 ireo naratra ka miisa 11 ireo tsy maintsy nandalo fandidiana tetsy amin’ny HJRA.

Synèse R.

 

Partager sur: