IDC.CDI aty Afrika: voafidy ho filoha lefitra  A. Hajo

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tany Cap-Vert, ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny « Internationale Démocrate Centriste – IDC.CDI”. Nitarika izany ny filohany, i  Andrés Pastrana. Anisan’ny tafiditra amin’ny fihaonana ny momba ny fifidianana ka voafidy ho filoha lefitry ny IDC.CDI  aty Afrika, ny kandidà ho filoham-pirenena, Andrianainarivelo Hajo.

Tsiahivina fa nijoro ny taona 1961 izany fikambanambe iraisam-pirenena izany ka ahitana antoko politika mpikambana miisa 94 avy amin’ny firenena miisa 73. Avy any Eoropa, Afrika Amerika Atsimo ary Azia Pasifika izy ireo. Mpikambana ao anatin’izany ny MMM sady eo anivon’ny komity mpanatanteraka. Foto-kevitry ny IDC.CDI ny fampivoarana ny demokrasia krisitianina, ny fampivoarana ny maha olona ary ny fisokafana amin’ny finoana rehetra. Manohana ny kandidàn’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo izy ireo. Mivoy hatrany ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena anaty demokrasia ny IDC.CDI

Synèse R.

Partager sur: