Firotsahan-kofidina: nisintaka tsy ho kandidà koa Ratsiraka Annick

Niala an-daharana tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Nambarany fa noho ny feon’ny fieritreretana no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. “Tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena ary voahitsakitsaka ny soatoavina Repoblikanina. Voahosihosy ny vahoaka“, hoy ny eo anivon’ny antoko Arema. Notsiahiviny fa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitr’izy ireo izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao ary tsy ahitana taratra ny tena fiandrianam-pirenena sy ny Fahaleovantenan’ny firenena nefa fotoana tokony ho nohararaotina hanehoana safidy malalaka ny amin’ny hitondra sy hitantana ity tanindrazana iombonana ity.

Nambarany koa fa tsy hanohana na hampandany kandidà izy ireo amin’izao fifidianana izao. Niantso ny olom-pirenena ny Arema mba hiaraka hitaky hentitra ny fampiharana ny lalàna. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny hanaovana fifidianana marina sy malalaka ary eken’ny rehetra. “Ahitana taratra ny mangarahara sy ny tena demokrasia“, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: