Ho fanomezan-kasina ny teny roa tonta…: natolotra omaly ny rakibolana Indonezia – Malagasy

Efa ho 47 taona izao no nisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Indonezia. Efa an-taonany maro talohan’izay anefa no nahatsapana fa misy fifamatorana ara-tantara eo amin’ny firenena roa, ary mety misy fototra iarahana raha tarafina amin’ny tsanganana sy endriky ny mponina roa tonta. Nahitana ihany koa anefa fa misy fifandrohizana ny teny malagasy sy ny Bahasa, tenin-dry zareo Indonezianina. Ho fanamafisana orina izany fihavanana izany,tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanolorana ny rakibolana indonezia-malagasy na ny “Kamus Indonezia-Madagaskar”, ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, avy amin’ny masoivohon’ny Repoblikan’i Indonezia miasa eto Madagasikara.
“Tanjona ny hisian’ny fifandraisana bebe kokoa eo amin’ny roa tonta, ka ny fifehezana ny teny no antoka voalohany amin’izany. Ho fitaovana hampiasain’ireo mandalina ny teny malagasy sy indonezia ny boky”, hoy ny nambaran’ny masoivohon’i Indonezia, i Benny Yan Pieter. Nanamafy izany ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana, ary nampiany fa “mampiseho fa velona sy miaina ny teny ho an’ny firenena roa ny fisian’ny rakibolana. Ho fitaovana hanampy ireo mpianatra sy mpikaroka izany”. Tsy tokony hanano sarotra ny mponina roa tonta ny fianarana ny tenin’ny andaniny sy ny ankilany, ary nanaporofo izany ireo mpandika teny roa tonta nandritra ny lanonana.
Nifarimbonan-dry zareo avy ao amin’ny masoivohon’i Indonezia sy ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy ny famoahana ny rakibolana, izay efa andiany fahefatra izao.

Zo ny Aina

Partager sur: