Hitondra ny “Rohin-kalo” an-tsehatra ry Hanitra Olive, Nirihaja, Soambinintsoa. Hotanterahina etsy amin’ny CGM Analakely, ny asabotsy 26 novambra izao izany, manomboka amin’ny telo ora tolakandro .
Ankoatra ny seho an-tsehatra dia hisy koa ny boky hanamarihan’izy ireo izany seho izany,
izay ahitana tononkalo, riankalo, sombintantara, sombintsoratra …. Araka izany, saika hita ao anatin’ny “Rohin-kalo” ireo karazana haisoratra. Miavaka ny seho satria vehivavy telo efa anaty fahamatorana no hampifandroy ny kalo amin’ity indray mitoraka ity.
“ Nahatsapa izahay telo mirahavavy fa nisy ny rohy nampifandray ny kantonay ka tinay ny itondrana izany an- tsehatra ary horaketina anaty boky iray… “, hoy i Hanitra Olive, isan’ireo poeta efa nanao seho goavana mahakasika ny haisoratra Malagasy. Andriambavilanitra telo samy manana ny hanitra ho azy eo amin’ny tontolon’ny literatiora ny hiray sehatra ka antenaina fa hafana ny fiarahana amin’ireo mpankafy haisoratra.Tsy hijanona eo fa hitohy hatrany ny seho ataon’ny Faribolana Sandratra amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy…
Narilala