Nitondra fanazavana ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, anisan’ny nanao sonia izany. “Tsy mandà ny hirosoana amin’ny fifidianana izahay saingy tsy ekena kosa ireo mikarakara fifidianana”, hoy izy. Anisan’izany ny governemanta, miandraikitra ny fitantanan-draharaha sady mitanila ary koa ny fomba fiasan’ny HCC. Notsiahiviny fa tsy ara-dalàna izao governemanta, nomena fahefana izao. Tsy mbola nisy nahita taratasy tsy naneken’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny handraisany ny fahefana. “Laharana faharoa eo amin’ny laharan’ny fitantanana andrimpanjakana izy ka tsy ara- dalàna raha izy indray no ho baikon’ny laharana fahefatra eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy izy. Tsy hadio sy hangarahara ny fifidianana amin’ny fitanilan’ny governemanta sy ny HCC.
Manamafy izany ny fanambarana fa tsy matoky ny HCC izy ireo. “Tsy afaka hiantoka ny tsy fitanilana amin’ny famoahana ny voka-pifidianana sy ny ho fitsarana ireo disadisa mety hiseho ny HCC”, hoy izy ireo. Tsipahin’izy ireo koa ny hitondran’ny governemanta ny firenena amin’izao endrika fanonganam-panjakana izao. Efa nitanila ary naneho ankarihary fanohanana kandidà iray, araka ny fanambarana hatrany.
Niantso ny vahoaka izy ireo ho saro-piaro amin’ny fanajana lalàna sy ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena. Niantso ny FFKM koa izy ireo. “Raiso ny andraikitrareo hitarika ny dinika hivoahana amin’izao krizy izao”, hoy izy ireo. Eo koa ny iraisam-pirenena mba tsy hiray tendro amin’izao fandikan-dalàna izao fa handray ny fepetra tandrify azy.
Synèse R.