Cnarp : namokatra fanafody am-polony avy amin’ny zavamaniry

Efa niorina ny taona 1976 ny ivontoerana fikarohana (Cnarp), mamboly sy mikarakara zavamaniry fanao fanafody. Maro ny voka-pikarohana vita hatramin’izay fa nisongadina nandritra ny ady tamin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ny «solution hydroalcoolique» fanadiovana tanana; ny «niaoulee» ody sery, menaka fanosotra anaty orona ary ny “hevokina”, ody kohoka sy sery atao evoka, ary ny CVO manasitrana, nampiasaina betsaka. Voka-pikarohana avy ao amin’ny Cnarp avokoa ireo ankoatra ny « Fanaferol », ody fery, mampanolatra haingana. Fandio, fanafody hodipotsy ary ny savony maro azo avy amin’ny zavamaniry hikarakarana ny tarehy sy ny vatana ary ny volo. Manana pilina ho an’ny fiakarin’ny tosidra sy hitsaboana ny aty koa ny Cnarp.
“Mampiavaka ny toeram-pambolena koa ny zavamaniry tsy hita afa-tsy eto Mada­gasikara, toy ny kotofy, fanafody hitsaboana ny homamiadan’ny « prostate »”, hoy ny talen’ ny Cnarp, ny profesora Rakotosaona Rianasoa­mbo­lanoro.
Tao anatin’ny valo volana farany, misy olon-tsotra nangataka ny tany izay milaza ho manana taratasy avy amin’ny fokontany Ambodivoanjo-Am­bo­hijatovo fa nanajary ny tany. Efa nanao fanohanana intelo miantoana ny fangatahana ny filankevi-pitantan’ny Cnarp sy ny minisiteran’ny Fam­piana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Misy fiantraikany amin’ny vahoaka raha lasan’olon-tsotra ny ampahan-tany nangatahany satria ao anatiny avokoa ny zavamaniry hanaovana fikarohana, hampivoarana ny fitsaboana.

Vonjy A.

Partager sur: