Michèle Rakotoson: “Tsy ampy tohana ny Malagasy mpanakanto”

Araka ny nambaran’i Mi­chèle Rakotoson, Malagasy mpanoratra nandrombaka ny « Prix Orange du livre en Afri­que 2023 », tsy vitan’ny talenta sy aingam-panahy fotsiny ny fanoratana fa ilana finiavana sy fahavitrihana ary fahazotoana koa. Hampifanarahana ny haikantony amin’ny sivana sy fitsipika mipetraka eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ny Malagasy manana talenta eo amin’ny haikanto maro samihafa saingy vitsy no tena tafavoaka sy mahavita mitrandraka izany talentany izany hatramin’ny farany. Vokatr’izany, mihen-danja ny tontolon’ny haikanto malagasy ary manomboka takon’ny an’ ny vahiny. Maro ny antony mahatonga izany. Misy avy amin’ireo mpahay kanto, ary misy kosa ny avy amin’ny tomponandraikitra sy ny manodidina azy.
Tsy ampy mpanohana amin’ ny lafiny rehetra ny Malagasy mpahay kanto, raha ny eo amin’ny sehatry ny asa soratra manokana. Araka ny nambaran’i Michèle Rakotoson ihany, antony tsy ahafahan’ny asa soratra malagasy misandrahaka eo amin’izao tontolo izao ny tsy fanarahan’ilay asa soratra ny sivana sy ny fepetra misy. Ilaina ny fampahafantarana ny mpahay kanto izany sivana sy fepetra izany.
Na eo aza anefa izany, nanambara ity Malagasy mpanoratra manana ny maha izy azy ity fa tokony hisy ny ady sisika ataon’ny tomponandraikitra. “Maro ny asa soratra voasivana tsy ara-drariny, noho izy an’ny mpanoratra afrikanina, noho izy mitantara ny tsy ara-drariny nataon’ny mpanjanaka”, hoy i Michèle Rakoto­son.

Lin

Partager sur: