Inona na ahoana koa? Tsy inona fa ny fikitranana lava eo amin’ny tontolo politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Mahita hokitranina hatrany ny mpisehatra politika sasany; eny, na efa hoe mirotsa-kofidina izao aza. Atrehina ny fanatanterahana fifidianana, fa gidragidraina lava. Izany no matoky tena? Na hoe tsy matahotra izay hifaninana…
Fanatsarana lalàm-pifidianana, fanovana ny rafitra sy ny mpikamban’ny Ceni, fanoloana ny mpikamban’ny HCC, fanaovana fikaonandoham-pirenena, fanakanana ny filohan’ny Repoblika teo aloha tsy hirotsa-kofidina fa hoe mizaka zom-pirenena vahiny… Efa samy nanaovan’ny mpanohitra angoan-tenda avokoa izany. Farany teo, ny amin’ny hoe fanonganam-panjakana noho ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona fahefana taorian’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika. Amin’izao, lazaina fa tsy azo itokisana ny HCC. Inona na ahoana koa ny manaraka?
Tabataba lalandava, gidragidra… Rahoviana vao mety handeha ho azy ary ho fomba fiaina sy kolontsaina ny fanajana lalàna sy fampiharana didy? Fa tsy hoe samy manana ny fandikany azy na azo toherina, arakaraka ny tombontsoan’ny tena. Indrindra, ohatra, ny didy na fanapahan’ny HCC hoe tsy azo ivalozana. Izay mitranga sy atao rehetra tsikeraina ho tsy ara-dalàna, tsy marina, miteraka korontana… Izay lazain’ny mpitompo teny fantatra ihany ve no hoe marina, tokony hoekena sy harahina, mahasoa ny firenena, tsy azo ihodivirana… ? Tsy ilaina intsony ny lalàna sy ny rafi-panjakana, raha samy hanao izay saim-pantany. Eny, fifidianana aza, angamba, tsy ilaina fa hotabatabaina izay ho voka-pifidianana eo, sanatria. Aleo ny vahoaka no hitsara amin’ny fifidianana, raha misy tokoa ny fahatokisan-tena. Samy hotsaraim-bahoaka…
R. Nd.