TARATRY ny KANTO

« Slam nationale 14 ». Vonona avokoa ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny « Slam nationale 14 ». Nampahafantarin’ny mpikarakara omaly, tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. ADMC-CRAAM Ankatso, IFM Analakely, AFT Anda­vamamba no hanatanterahina ny hetsika, manomboka ny 21 septambra 2023 izao.

“Atelier Hay”. Mitohy hatrany ny fampivelarana ny kilonga 12 hatramin’ny 15 taona, amin’ny alalan’ny asa tanana, ao anatin’ny atrikasa “Hay”, eny amin’ny Fondation H Ambatomena. Ity Fondation ity ihany no mikarakara ny hetsika. Ny manodidina ny kisarisary no hozaraina amin’ireo ankizy hiatrika ny atrikasa rahampitso tolakandro.

Fampiofanana Fanorona. Tontosaina eny amin’ny IKM Antsahavola, isaky ny sabotsy tolakandro, manomboka ny 23 septambra 2023, ary haharitra 8 volana eo ho eo ny fampiofanana momba ny fanorona. Jean Marie Lalao na Zamabe, tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana fanorona no hitarika ny fampiofanana amin’izany.

« Madagascar en lumière ». Hifarana ny 21 septambra 2023 ny fampirantiana “Madagascar en Lumière” atao eny amin’ny Musée de la Photographie de Madagascar. Sarin’i Henintsoa Rafalia sy Pap’s no miranty eny an-toerana. Sary maneho ny fandrosoana, indrindra ny fivoarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra noho ny herinaratra, no ho hita eny.

Partager sur: