INDRAY MIJERY

Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro eto Madagasikara, ato anatin’ny telo andro ho avy ankoatra ny faritra vitsivitsy manodidina ny afovoany atsinanan’ny Nosy. Mila malina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana,
atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina noho ny alon-drano avy atsimo andrefana.

Natao ny faran’ny herinandro teo ny fametrahana ny fototry ny lycée Vinaninkarena, Cisco Antsirabe ll, izay vatsian’ny governemanta japoney vola. Ahitana efitrano
fianarana enina sy birao. Efa vita kosa ary notokanana ny efitrano fianarana vaovao telo ao amin’ny lycée Foulpointe, Cisco Toamasina II, famatsiam-bola avy amin’ny tetibola CIAD .

Loka 2 000 dolara hatramin’ny 5 000 dolara no hoazon’ireo manana tetikasa sangany amin’ilay fifanina­nana momba ny “Youth Well-Being Prize Competition” karakarain’ny USAID. Roa herinandro sisa dia ho tapitra ny fandefasana ny antontan-taratasy fandraisana anjara ho an’ny tanora 10-29 taona.

Raha ny tatitry ny WaterAid Madagascar dia miasa amin’ny tobim-pahasalamana tsy manana rano madio ampiasaina ny olona 1,7 miliara maneran-tany. Misy ny firenena miezaka mampiditra rano madio amin’ireny toe­rana ireny hisian’ny fitsaboana ara-dalàna sy ny fahadio­vana. Eto Madagasikara, mbola betsaka ny ezaka mba hahatongavana amin’izany.

Partager sur: