Afobe indray teny Ankadiefajoro Ambohimangakely (RN2) mihazo an’i Toamasina, omaly tolakandro. Tapitra hotohoton’ny afo ny entana rehetra tao amina orinasa kely mikirakira momba ny hazo.
Horakoraka, tabataba… no niainan’ireo mponina teo amin’ny manodidina ity trano lehibe nirehitra teny Ankadiefajoro Ambohimangakely ity. Toeram-pivarotana fanaka sy voninkazo ity kila forehitra ity. Nijoalajoala tanteraka ny afo nandritra ny firehetana. Araka ny fanazavan’ny tompon-trano, fifampikasohana taribin-jiro narahina fipoahana herinaratra niainga avy ao an-trano no nitarika ny afo. Kaontera nipoaka mafibe no nanaitra ireo olona teo amin’ny manodidina. Fotoana fohy taorian’izay, afobe no nandady nivoaka ny varavarankely. May avokoa ny entana rehetra tao am-pivarotana. Anisany ny masinin-kazo sy ireo fitaovana fampiasa amin’ ny fanaovana fanaka. Levon’ ny afo koa ireo voninkazo rehetra. Niezaka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina teo amin’ny manodidina. Nahery anefa ny fitsokan’ny rivotra ka nampiitatra ny afo izany. Niezaka namoaka ny entana ihany koa ireo mponina saingy tsy tafavoaka izany fa main’ny afo avokoa.
Olona iray naratra…
Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nanao ny asam-pamonjena rehetra. Na teo aza ny afobe, nanao ny fomba rehetra hifehezana izany ny teo anivon’ny mpamonjy voina. Voafehy ihany anefa izany ka tsy niitatra tamin’ireo trano manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy fa lehilahy iray naratra vokatry ny fifanjevoana nandritra ny famonoana ny afo. Ratra maivana ihany anefa no nahazo ka avotra soa aman-tsara, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. Mitentina an-tapitrisany ny entana lasa lavenona raha ny fanazavan’ny tompon-trano. Nitondra fanentanana ny teo anivon’ny mpamonjy voina mba ho mailo amin’izao andro maina izao. Fotoana toy izao rahateo no ahitana haintrano matetika. Na eo aza ny fiakaran’ny tanjaky ny herinaratra, tokony hanana fitaovana famonoana afo koa ireo orinasa kely mikirakira ireny fitaovana ampiasana herinaratra matanjaka ireny.
J.C