Tselatra

Tafahanika amin’ny rindrim-bato manamorona ny fefiloha Sisaony, teo akaikin’Antanimenabe Ampita­tafika, ny taxi-be zotra G iray, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nieren-doza avokoa ireo mpandeha tao anatiny.

Tratran’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely ny jiolahy iray nanafika fiangonana. Nanafika tokantrano iray ao Antanetibe, fokontany Manjaka Ankazobe, izy sy ny na­ma­ny roa. Tsy nanam-bola anefa ny tompon-trano ka izao nifindra nanafika fiangonana izao. Lasa ny varavarankelin’ny fiangonana.

Renim-pianakaviana iray no voaendaka tao anaty fiara nentiny teny 67 ha garazy, araka ny fahafantaran’ny maro azy, omaly atoandro. Novohain’ireo jiolahy ny fiara ka lasa ny finday avolenta niaraka tamin’ny poketra.

Mbola mitohy ny fitadiavana an’ilay lehilahy mpiasan’ny BNGRC tsy hita nanomboka ny 6 septambra 2023 lasa teo. Ny fiarany nentiny aloha no hita hatramin’izao saingy tsy hita popoka ity lehilahy ity. Mangataka fiaraha-miasa amin’ireo manam-baovao momba ity raharaha ity ny fianakaviany.

Partager sur: