Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio alina, ny praiminisitra, sady filoham-panjakana miara-mitantana. Handeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny resadresaka. Hizara izany koa ny fitaovan-tserasera tsy miankina sy ny tambajotran-tserasera.
Manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny finiavana hamboly korontana sy krizy politika vaovao kasain’ny sasany hatao ny antoko Freedom. Ny vahoaka malagasy irery ihany no masi-mandidy, amin’ny alalan’ny fifidianana, hisafidy izay hitondra ny firenena, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana.
Ny vinan’ny filoha Rajoelina tamin’ny taona 2018 no naharesy lahatra ny antoko nanohana azy, araka ny nambaran’ny filoham-boninahitry ny RPSD, i Maroson Evariste. Noho ny zava-misy sy ny antony samihafa, misy tsy mbola vita amin’izany vinan’asa izany na maro aza no efa tanteraka. Ilaina ny fanohizana ny asa.
Aleo hizotra milamina ny fifidianana, fa tsy handeha amin’ny fitiavan-tena. Aleo ny vahoaka malagasy hisafidy izay olona tiany, raha ny fijerin’ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM), Andriamiarisoa Daniel. Foto-kevitry ny antoko ny fanasoavana ny tanora, ny fanomezana asa, ny fanamorana ny famatsiam-bola ny orinasa…