TARATRY ny KANTO

Kontroller. Tanterahina eny amin’ny Aft Anda­vamamba, ny 4 oktobra 2023 ho avy izao, ny fampisehoana « Kontroller ». Vondrona mpandihy sangany eo amin’ny dihy ankehitriny no handray anjara amin’ny fampisehoana. Ny Aft miaraka amin’ny “Trotra festival international de danse contemporaine” no mikarakara ny hetsika.

“Little Miss & Mister Univers”. Misolo tena an’i Madagasikara ao anatin’ny fifaninanana “Miss & Mister Univers”, sokajy “Little”, i Tiana Mario, eo amin’ny sokajy lehilahy, ary Rasoamampianina Nadya, eo amin’ny sokajy Vehivavy. Izy ireo no nivoaka mpandresy tanatin’ny fifaninanana “Little Miss & Mister Univers Madagascar”, tamin’ity taona 2023 ity.

“Anao ny Safidy”. Tontosaina ny Alahady 24 septambra 2023, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny seho teatra “Anao ny Safidy”. Ny Tropy Lisin’Iarivo no iangaly an-tsehatra ity piesy teatraly ity. Safidy manoloana ny zava-misy eo amin’ny fitiavan’olon-droa no haseho ao anatin’izany.

Tetikasa “DIHY”. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny tetikasa “Dihy”, eny amin’ny La Colline Ambato­vinaky. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny tetikasa amin’izao fotoana izao. “Comedie musicale”, “Danse éthnique”, “Arts Créatifs” sy ny manodidina izany no hita eny an-toerana, mandritra ity herinandro ity.

Partager sur: