Vaovao tambatra

Samy miandry ny fandehanan’ilay fitaterana an-dalamby (train urbain) ny ankamaroan’ny Malagasy. Mbola misy ny fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony miaraka aminy mbola tsy vita hatramin’izao, antony mampiato ny fandehanan’ity fitaterana ity. Tokony ho noraisina ta­min’ny fomba ofisialy ny volana aogositra teo ny tetikasa saingy nahemotra izany.

Manohana ny mpandraharaha amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hampiranty ny asa tanany ny tetikasa Fihariana. Nisitraka izany ireo mpandraharaha tao amin’ny faritra Menabe, nahazo famatsiam-bola avy amin’ny tetikasa. Fanehoana sahady izao ny fahaiza-manaony sy ny fahavononana ary ny finiavany hanatanteraka ny vina ho lasa asa.

Ankalazaina isaky ny 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna. Miaro antsika amin’ny taratry ny singa “ultra-violet” ny sosona ôzôna, izay miteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamana, toy ny homamiadana, ny areti-maso, sns. Miaro ny fambolena koa manoloana ny haintany.

Mahatratra 200 ha isan-taona ny veralantany ambolen’ny orinasa Aqualma ala honko any amin’ny faritra Melaky. Ho fandraisany anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany, sady hampiroboroboana ny vokatra an-dranomasina, ifantohan’ny velon-tenan’ny mponina.

Partager sur: