SOMBIM-BAOVAO

Miofana hahazoana ny mari-pahaizana “Brevet d’entraineur de Football” i Dimitry Caloin, mpilalao baolina kitra mizaka zom-pirenena roa, Malagasy sy Frantsay. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny Barea nandritra ny CAN 2019, izay natao tany Egypta, ity mpilalao ity.

Nahatafiditra baolina roa nanoloana ny Police Tero, ekipa Thaïlandais, Rakotoharimalala Njiva, Malagasy lohalaharan’ny Ratchaburi, klioba Thaï­landais. Nahazo fandresena tamin’ny isa 6 no ho 1 ny ekipan’ny Ratchaburi izay ilalaovan’i Njiva. Marihina fa manomboka mamiratra ity Malagasy mila ravinahitra any ivelany ity.

Hotanterahina anio, ny andro fahatelo, fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja Rugby 2023, izay atao any France, ny 8 septambra- 28 oktobra ho avy izao. Hihaona amin’izany, i Italie sy i Uruguay. Fihaonana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Allianz Riviera, France.

Hotontosaina anio, any amin’ny kianjan’ny Allianz Arena, ny fifanandrinan’ny Bayern München, Alemà, sy ny Manchester United, Anglisy. Lalao mandroso amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions” ity atao ity.

Partager sur: