Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy U20 zazalahy i Madagasikara, manomboka anio. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Akio de Madagascar.
Hanomboka anio ka hatramin’ny alahady 27 novambra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball zazalahy U20. Firenena telo no hiady izay ho lohany amin’izany dia ny Akio Madagascar, i Seychelles ary i Maorisy. Tsy anisan’ireo tonga kosa ry zareo Kaomorianina. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity, araka ny nambaran-dRaheriarijaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Mahamasina satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly hatao any Congo Brazzaville, ny 12 ka hatramin’ny 18 desambra ho avy izao, izay voalohany isam-paritra. Hiatrika ny “Mondial 2023” kosa izay tompondaka amin’io. Notsiahiviny fa fifaninanana natokana ho an’ireo firenena tsy tafita tamin’ny Can, ny IHF Trophy U20. Faritra dimy no mifaninana amin’izany dia ny 2 ; 3 ; 4 ; 5 ; 6.
Ry zareo Maorisianina no hidona voalohany amin’ny Akio, anio. Vonona ireo mpilalao 14 mirahalahy hiatrika azy ireo fa miantso ny mpijery kosa ho tonga hanotrona azy ireo, satria hery lehibe ho an’ireo boaikely ireo ny fisian’ny mpanohana.
Marihina fa tokony hampiantrano ity fifaninanana ity ry zareo Kaomorianina, saingy noho ny antony manokana, tsy vitan’izy ireo ny mandray izany ka nafindra eto Madagasikara.
Ny ligin’Analamanga no komity mpanomana ity fifaninanana ity.
Nolazain’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball fa efa vonona ny hoenti-manana handehanan’ny Akio any Congo Brazzaville raha toa ka lasan’izy ireo ny tompondakan’ny faritra fahafito. Notsiahiviny fa ny IHF avokoa no mandray an-tanana ny lany rehetra amin’ny fanomanana entina miatrika izany, toy ny saran-dalana, ny fiantranoana. Na izany aza, misy ihany ny anjara biriky avy amin’ny fitondram-panjakana.
Torcelin