Very ny vola an-tapitrisany ; « Quincaillerie » notafihan’ny jiolahy teny Ilafy

Nitrangana fanafihan-jiolahy tsy nisaron-tava, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray teny Ilafy, omaly atoandro. Voaambana basy ny mpiasa ka lasa ny volabe tao anaty fitoeram-bola. Toeram-pivarotana kojakojana fanamboarana trano ity notafihan’ny jiolahy telo nitondra basy roa sy antsilava iray ity. Araka ny fitantaran’ny tovolahy iray mpiasa ao amin’ity toeram-pivarotana ity, tonga toy ireny olona hividy entana ireny izy telo lahy tamin’io fotoana io. « Tsy fantatra mihitsy hoe jiolahy izy raha jerena tampoka ety ivelany », hoy ny fanazavany. Efa nikasa hanafika tamina tranon’olona iray hafa ireo olon-dratsy saingy tsy nahazo na inona na inona. Lasa ry zalahy kanjo niverina tampoka tao amin’ity toeram-pivarotana teo akaiky teo ity. Voaambana basy ny mpiasa tao am-pivarotana ka tsy afa-nanohitra. Tsy afa-nihetsika intsony ny mpiasa teo amin’ny caisse ka nanome malalaka ny vola rehetra tao amin’ny fitoeram-bola. Tampoka ny fanafihana satria tsy nampoizin’ireo mpiasa. Saika hanapoaka basy mihitsy izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Lasan’ireo mpanafika ny vola mitentina 7 tapitrisa Ar eo ho eo. Lasa nitsoaka ireo mpanafika raha vantany vao nahazo ny vola tao amin’ilay tranombarotra. Na teo aza anefa izany, afaka niantso ny mpitandro filaminana ihany ireo niharan’ny fanafihana. Fotoana fohy taorian’izay tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Nisy nahatsikaritra ny olona teny amin’ny manodidina fa noraisina fiara iray efa niandry lavidavitra ireto jiolahy ireto.

J.C

Partager sur: