Voaroban’ny jiolahy miisa 12 ny volabe 29 tapitrisa, tanaty taksiborosy, omaly. Nisy ny fanarahan-dia, enina tamin’ny olon-dratsy no maty voatifitry ny zandary.
Notafihin’ny jiolahy miisa 12 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny kamiaobe Taksiborosy «Bilomalaza» tao Andranovory Toliara II, omaly. Lasan’ny mpanafika ny vola mitentina 29 tapitrisa Ar mahery. Taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Ampanihy no lasibatra. Nisy mpandeha 41 tao anatiny. Niditra an-keriny tao anaty fiara ireo malaso. Nandrahona ny mpandeha rehetra mba hamoaka ny vola. Noho ny tahotra, samy namoaka izay tany aminy ny olona tao anaty fiara. Voaroba avokoa ny finday miisa 19 niampy ireo vola rehetran’ny mpandeha. Manginy fotsiny ny zava-tsarobidy samihafa. Vantany vao nahazo fampandrenesana ny mpitandro filaminana. Andaniny, nisy ny nanao sakana tao amin’ny kizon’Ankilimaro. Ankilany, nisy ny nanara-dia ny olon-dratsy. Nitarika ny haza lambo ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Toliara, niaraka tamin’ny kaomandin’ny tobim-paritra ao Vatolatsaka.
Nampiasa moto
Tsara omana ny fanafihana. Ampy fitaovana ny jiolahy, izay nandeha moto Cross miisa efatra. Efa mailo anefa ny mpitandro filaminana. Vantany vao nandalo tamin’ny kizon’ Ankilimaro, kaominina ambanivohitr’Andranovory Toliara II, ny jiolahy dia raikitra ny fifandonana. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, nirefodrefotra ny basy. Nahery vaika ny fifandonana. Vokany, jiolahy enina tamin’ireo mpanafika no rotiky ny balan’ny zandary. Nahatrarana basim-borona, Baikal calibre 12 ihany koa tamin’izy ireo. Nitohy ihany ny fisavana sy ny fanarahan-dia. Nisy iray voasambotra, ora roa taorian’izay. Nogiazana, nalefa any Toliara ny moto tratra niaraka tamin’ny jiolahy voatifitra. Mitohy ny fanadihadiana !
J.C