Dihy afrikanina : tonga eto amintsika ny dihy « Pantsula »

Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika fampahafantarana sy fampianarana ny dihy « Pantsula ». Ny tarika Fishers of man & Lucky Dancers, avy ao Afrika Atsimo no mitondra izany hetsika izany, miaraka amin’ireo vondrona mpandihy eto Madagasikara. Tanjon’ny mpikarakara amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ity dihy ity.
Ambohipihaonan’ny mpandihy, mankafy manokana ny dihy sokajy “Afro”, teny an-toerana, omaly. Mpandihy maro no tonga teny an-toerana niatrika ny fampahafantarana sy fampianarana ny “Pantsula”, izay karazana dihy avy ao Afrika Atsimo.
Hitohy anio sy rahampitso eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ity hetsika fampahafantarana ity, ary faranana amin’ny fampisehoana hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo niofana nandritra izay fotoana izay.
Ankoatra ny fampahafantarana sy fampianarana ny “Pantsula”, nisy ihany koa ny fizaran’ireo Malagasy mpandihy, mivondrona ao anatin’ny Afro Mada Dance, ny talentany, tamin’ireto vahiny mpahay kanto ireto.

Lin

Partager sur: