Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao teny Mahazoarivo, omaly, ny fanomezana tsenan’asam-panjakana ho amin’ny fanamboarana ireo takelakazo, hametrahana ny petadrindrina momba ny fifidianana. Natao hampiasain’ny Ceni izany.
Etsy andaniny, anisan’ny nankatoavina koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany momba ny fampidirana ireo fitaovana informatika. Fanomezana manokana avy amin’ny Pnud izany, natao hanampiana ny BNGRC. Anisan’ny hisitraka ny fitaovana ny sampan’ny BNGRC any Ambovombe sy Mahajanga ary Toamasina.
Nankatoavina koa ny fampanofana fivarotana (vente location) sy fivarotana ary
fandraisana ireo vola miditra amin’ny fivarotana ireo “Trano mora” na trano fonenana naorin’ny eo anivon’ny Analogh. Efa misy trano mora miisa 920 ka efa vita tanteraka ny 765 raha an-dalam-panamboarana kosa ny 155. Mitsinjara amin’ny distrika miisa 9 izany. Efa misy koa ny toeram-ponenana “Appartements mora”, miisa 186 efa vita sy azo amidy. Haompana amin’ny fampandehanana ny Analogh avokoa ny vola miditra amin’ny fivarotana ireo karazana trano sy toeram-ponenana ireo, ankoatra ny saram-pitantanana 2% amin’ny vola azo amin’ny fampanofana fivarotana sy ny fivarotana.
Synèse R.




