Hetsika hafa indray koa. Nanatitra taratasy fampahafantarana teny amin’ny prefektiora, Tsimbazaza, omaly, ireo depiote voafidy eto an-drenivohitra. Voalaza ao anatin’ izany fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ ny 13 mey izy ireo ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora. Nambaran’ny fampahafantarana fa ireo depiote voafidy amin’ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra izao hanao tatitra izao. Hanotrona azy ireo amin’izany kosa anefa ireo solombavambahoaka voafidy avy any amin’ny faritra maro. “Anton’izany ny ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena manomboka amin’ny 17 oktobra ho avy izao”, hoy izy ireo.
Hetsika nataon’ireo depiote 73
Notanisain’izy ireo nanoloana ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, tamin’izao fihaonana izao ireo andinin-dalàna sy ny Lalàmpanorenana manamafy ireo voalaza ireo sy ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimieram-pirenena.
Araka izany, tsy mila manao fangatahana alalana ny solombavambahoaka rehefa hanao tatitra amin’ny vahoaka tahaka izany fa fampahafantarana fotsiny ihany.
Tsiahivina fa tahaka izao koa no niantombohan’ny hetsik’ireo depiote 73 teny amin’ ny kianjan’ny 13 mey, ny volana avrily 2018.
Synèse R.




