Raharaham-pirenena : tsy nahitam-bokany ny fifampidinihan’ny FFKM

Naharitra ora roa latsaka fahefany, ny fifampiresahana teo amin’ny FFKM sy ny kandidà ho filoham-pirenena teny Ambohimanoro, omaly.

Mitohy ny fifampidini­han’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ireo kandidà hirotsaka ho filoham-pirenena miisa 13 manoloana ny savorovoro misy eto anivon’ny firenena, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ ny FFKM, ny Pastora Rakoto­zafy Denis, teny Ambohi­ma­noro, omaly. Nifampidinika nandritra ny ora roa latsaka niaraka tamin’ireo kandidà sy ny solontenany ireo filoham-piangonana, 48 ora taorian’ny ala nenina. « Efa manomboka mahita loharano amin’ny marimaritra iraisana », hoy ny Pastora Rakotozafy Denis. Manoloana ny toe-draharaha, mitaky hatrany ny hisian’ny fitoniana eo amin’ireo ankolafin-kery rehetra ny FFKM. Tetsy ankilany, samy tsy na­harenesam-peo ireo kandidà tonga teny Ambohimanoro. Anisan’ireo nanatrika izany, ny kandidà Lalaina Ratsira­honana, Brunel Razafitsian­drofa ary Siteny Randrianaso­loniaiko. Ireto farany izay tsy nidina teny an-dalambe nandritra ny hetsika nataon’ireo kandidà, omaly.

Hetsika nasionaly

Ankoatra io, nitohy ny diabe nataon’ireo kandidà 11 teny Ampefiloha hatrany Anda­vamamba, omaly atoandro. Nanambara izy ireo fa hetsika nasionaly ny eto an-drenivohitra, ny sabotsy izao. Hisy ny fahatongavan’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, izay hanatrika sy hijery ny tena zava-misy eto amin’ny firenena, araka ny fanamafi­san’ireto farany. Naharitra ora roa ny fidinana an-dalambe notarahin’ireo kandidà. Tsy nisy kosa fifandonana teo amin’ireto farany sy ny mpitandro filaminana. Hitohy anio ny hetsika.

Tsiferana/Lin/ Fitia

Partager sur: