Tatitry ny depiote : nomena alalana ao amin’ny Magro Tanjombato

Nolavin’ny prefektiora ny fanatanterahana tatitra amin’ny vahoaka ny sabotsy izao, eny amin’ny kianjan’ny 13 mai. Na izany aza, nanolo-kevitra ho azy ireo ny “Prefet”, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Namba­rany tamin’ny valin’ny fangatahan’ireo depiote fa anton’ny fandavana ny maha faritra ara-barotra “Zone commercial” ny eny Analakely sy ny manodidina ary maro ireo misehatra amin’izany ho very fitadiavana.
Notsiahivin’ny “Prefet” koa fa toerana maro mifamezivezy sy mampiasa ny lalana eny amin’ny andavanandro fa indrindra ny sabotsy. “Ho voatohintohina ny zo fototra an’izy ireo… “, hoy izy. Nanteriny fa ho raisiny adidy ny manakana ireo depiote tsy hanao izany hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izany noho ny fitandroana ny filaminana ary koa ho fikatsahana ny tombon­tsoan’ny besinimaro, manoloana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.
Araka izany, nomeny alalana amin’ny toerana hafa ireo depiote. “Azonareo atao ny manatontosa ny fikasanareo eny amin’ny Magro Tanjom­bato, hanaovanareo tatitra amin’ny vahoaka”, hoy ihany izy. Andrasana izany ny mety hataon’ireo depiote manoloana izao fandavan’ny prefektiora izao.

Synèse R.

Partager sur: