Mifanilika… Mifampitazana… Mifampiandry kendry tohina… Iainan’ny Malagasy avokoa ireo. Toa samy tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay zava-manjo an’i Madagasikara. Vokatr’ireo, tsy hita ny tena fototr’olana.
«Adilahy politika», «Fifandirana politika»… Politika,…Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosy ity sy miteraka olana saro-bahana? Raha mba misokatra kely indray ilay fomba fijery dia any amin’ny “famatsiana iraisam-pirenena”, “mpamatsy vola”… Izany hoe, raha lasa lavitra indrindra, any amin’ny resaka toekarena no ambara fa olana mianjady amin’ny Malagasy amin’
izao fotoana izao.
Tsy voaresaka mihitsy ny lafin-javatra hafa. Toa voafefin’
ireo (politika sy toekarena) ny sain’ny Malagasy ka mametraka ny goavana ho toy ny zava-bitika… Matoa tsy mandeha ny firenena, misy hasina maty. Misy fomba sy fady voadika. Misy tantara tsy hay. Misy tsy mataho-tody. Misy tsy matahotra sy tsy mahalala ny fisian-Janahary….
Tsy tokony hazera any amin’ny vahiny ny tsiny satria samy tompon’andraikitra ny Malagasy tsirairay. Maro amin’ireo mpilalao politika ireo no tsy mahalala akory an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Efa nisy teto, ohatra, ny nanankinana andraikitra lehibe, kanefa tsy mahay miteny malagasy akory.
Maty hasina ka mora lalaovina
Raha miainga amin’ny fanazavan’ireo mpahay momba ny zava-panahy. Tsy mifototra irery amin’ny resa-politika sy toekarena ny mahatonga ny Malagasy sy i Madagasikara tafahitsoka anaty fahantrana (saina, vatana, fanahy…) lalina tahaka izao, fa vokatr’io fahaverezan-kasina ateraky ny tsy fahalalana ny tantara, fomba, finoana, teny ary tany io. Maty hasina ka mora lalaovina. Noho izany, tsy ny mpanao politika ihany no tokony hahatsapa izany fa ny Malagasy tsirairay mihitsy.
Vokatr’io “mora lalaovina” io, maro loatra ny zava-tsy mitohoka iainan’ny Malagasy sy mianjady amin’i Madagasikara. Ho an’ny Malagasy, ohatra, ny raiamandreny fotsy volo amin-tany no tafian-kaja, omem-boninahitra ary to teny eo anivon’ny fiarahamonina, noho ny fahafantarana fa izy ireny no loharanom-pahendrena. Amin’izao vanim-potoana izao, izay manam-bola, itoeran’ny hery (sandry, basy…) no lolohavina sy indraindraina ary “ivavahana”, satria tompon’ny fahefana ka tsy mba mety diso fa manana ny marina mandrakariva.
Asa raha firy amin’ny Malagasy miaina ankehitriny no mahafantatra fa: “ny todin’itsy natao, misy”, noho izany, mila haverin-kasina i Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto