Taorian’ny fanokafana ny andiany faha-34, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely sy tany Antsirabe. Toerana maro no hanatanterahina ny seho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny “Festival International Madajazzcar”, androany. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny eny amin’ny Orchidées Blanches Androhibe, ahitana an’i Tahiry Andriamanoro Trio (Tahiry Andriamanoro, Rado Andriamanantena ary i Fetranirina Andriamazoto). Hanomboka amin’ny 7 ora hariva ny etsy amin’ny IFM Analakely. Hitondra ny traikefany ny Festen avy any Frantsa. Amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Fara West Faravohitra, ny tarika Vatsiahy Ravaloson Trio (Vatsiahy, Sandratra Andria, Mahefa Ramiandrisoa). Amin’ny 8 ora sy sasany ihany, eny amin’ny Ibis Ankorondrano, hiaka-tsehatra ry zareo Sunny Side Quartet (Frank Basile, Fabien Mary, Laurent Marode ary i Paul Morvan). Hanomboka amin’io ora io ihany, ao amin’ny Ra-disson Blu, ireo andrarezin’ny jazz ao anatin’ny Brigitte Rakotomalala Quartet, izay ahitana azy sy Samy andriamanoro, Roger Zafera ary i Tahiry Andriamanoro.
HaRy Razafindrakoto