Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana 40 nahitana dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpampivelona. Tanjon’ny fiofanana ny hahafahany manatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fandraisana marary.
Avy any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana izy 40 mianadahy ireo. Nohamafisina tamin’izany ny fampiasana ny paikady vaovao fandrindrana ny fiainam-pianakaviana maharitra. Teo kosa ny fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza amin’ny alalan’ny fitiliana. Ankoatra izany, ny fandraisana an-tanana ny olona tratran’ny herisetra ary ny fanararaotana ara-nofo, izay mpahazo ny ankizy sy ny vehivavy.
Tamin’ny alalan’ny UNFPA miaraka amin’ny famatsian’ ny USAID no nahafahana nanatanteraka ny fiofanana.
Tatiana A