« Takarivan-kolontsaina »: hanamarika ny faha-15 taonany ny Haihaingo

Hiavaka tsy tahaka ny fahita hatramin’izay ! Haihaingo, orinasa mitrandraka sy misahana ny tontolon’ny haingo amin’ny ankapobeny. Iray amin’ ireo manasongadina sy manome lanja ny kolontsaina malagasy ihany koa. Fantatra fa hanamarika ny faha-15 taona nijoroana amin’ny alalan’ny hetsika « Takarivan-kolontsaina » hotanterahina ao amin’ny Salle Sainte Bathilde, 43 Avenue de Plessis, 92290 Châtenay-Malabri, Paris Fran­tsa, ny zoma 20 oktobra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny « Ity lam­bako ity ». Fotoana hanehoan’ ny Haihaingo ny lamba fitafin’ ny Malagasy fahiny. Hazavain-dry zareo amin’izany ny hevitry ny fomba fitafy tsirairay, izay matetika mifono zava-dalina. Ao koa ny « Haitao vita mala­gasy », hampirantiana ireo asa tanana vita malagasy. Ny « Haihaingo milatro », filatroana hanehoan’ity orinasa ity ny fampiarahana ny nentin-drazana malagasy sy ny an’ny vahiny eo amin’ny tontolon’ny fitafiana. Ny « Haitsiro », hampahafantaran’ny Haihaingo ny nahandro malagasy, ary ny « Haihaingo mpankafy » sy ny « Tafa sy takalo rohy », fifaneraserana sy fifampizarana traikefa handraisan’ny mpanatrika rehetra anjara.

« Asandrato ny vita mala­gasy. Haihaingo, lapan’ny hatsarana » ! Anisan’ny teny faneva ahafantarana ny Hai­haingo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: