Tompon’omby iray voan’ny bala nataon’ny dahalo tao Ampasimaika, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, ny alahady 15 oktobra teo. Niezaka haka ny omby nalain’ireo olon-dratsy ny lasibatra. Nitifitra tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpandroba ka voa teo amin’ny tratrany ilay tompon’omby. Nandroba omby 9 hafa tao amin’ny tanàna iray anatin’io kaominina io ireo dahalo.
Trano fandraisam-bahiny iray hotohoton’ny afo tao Antsohihy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Niainga tao amin’ny efitrano ambony rihana ny afo. Niitatra tamin’ireo efitra hafa izany. Nifarimbona namono ny afo ireo manodidina. Voafehy izany ora vitsy taorian’ny firehetana.
Voasambotry ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny dahalo raindahiny iray tao Andojy, kaominina Delta, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, afakomaly. Nifanenjehan’ny mpanara-dia ireo dahalo ka latsaka tao amin’ny toerana atao hoe Alambokely ny omby miisa enina. Karohina ny naman’io dahalo tratra io.
Nahitana vola sandoka tao amina tobin-tsolika iray tao Sambava, afakomaly. Vola 20 000 Ar io nisy nitondra teo amin’izy ireo io saingy sarotra avahana amin’ny tena vola. Fanindroany nahitana vola sandoka tahaka izao tao amin’io tobin-tsolika io. Nanatitra “versement” teny amin’ny banky ny tomponandraikitra vao fantatra fa nisy vola sandoka.