Antenimiera roa tonta : nafana ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny An­tenimierampirenena, tetsy Tsimbazaza sy ny Antenimie­randoholona, tetsy Anosy. Nafana sy niavaka ny fanokafana izany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nipetraka nitokana tamin’ny seza ha­vian’ny efitrano fivoriana avokoa ireo solombavambahoaka momba ny fitondrana, nanao akanjo volomboasary. Nito­kana tamin’ny an-kavanana kosa ireo depiote miaraka amin’ny kandidà mitambatra 11, nanao akanjo fotsy. Ni­songadina ny horakorak’ireo depiote miakanjo fotsy nandritra ny fidiran’ny filohan’ny An­tenimierandoholona. Nitondra sora-baventy izy ireo milaza hoe: “miala i Ntsay”, nandritra izany. Namaly kosa ireo de­piote niakanjo volomboasary fa: “io no izy”. Ankoatra izay, nisongadina, nandritra ny ka­barin’ny filohan’ny Antenimie­rampirenena, ny horakoraka nifandimbiasan’ireo depiote andanininy sy ankilany ireo, raha ny zava-nisy teny an-toerana.
Raha ho an’ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona in­dray, ny tolakandro, notarihin’ny filohany, ny Jly Ravaloma­nana Richard. “Olona manana fahendrena sy fahamatorana ary mendrika haja ny atao hoe loholona, tsy sanatria hifanompa na hifampikasin-tanana”, hoy Ravalomanana Ri­chard, nandritra ny kabariny. Nilaza izy fa olom-boafidy manana ny hambompo fitiavan-tanindrazana. Tsy hampilamina ny firenena ny fikatsahana tombontsoa manokana sy ara-politika. Nohamafisiny fa avelao handeha ny fifidianana ary efa mizotra ny propangandy ankehitriny. Tanjon’ ny fivoriana ny handinihana ny tetibolam-panjakana izay ho­enti-miasa amin’ny taona 2024.

Mino

Partager sur: