Namoaka fanambarana ny governemanta ifandrombonana, omaly, ho setrin’ny an’ireo masoivoho vahiny. Hany vahaolana tokana manoloana ny toe-javamisy ankehitriny, ny fifidianana. Miantso ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny fitondram-panjakana mba hifanome tanana amin’ny famitana izany.
Tsy mbola niala amin’ny kandidà 11 ny kandidà, Ratsirahonana Lalaina, araka ny nambarany, omaly. “Diso izany vaovao izany. Manamafy izahay fa mitady fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra ka tsy hiray tsikombakomba amin’ny tsy fahamarinana”, hoy izy. Nanamafy koa izy fa vahaolana amin’ny toe-draharaha ny fifampiresahana.
Tsy ekena ny fampiasana olona hiady, araka ny nambaran’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na i Rossy, omaly, teny Tsimbazaza. Nohitsiny fa fantany ireo olona roa naniraka sy nampiady vahoaka ireo. “Niteny azy ireo aho fa hainareo ny manomboka. Tsy ho hainareo anefa ny hiafaran’io. Eo amin’ny politika : eo afovoany aho izao aloha”, hoy izy.
Nivoaka amin’ny fahanginany ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF). Miantso ny rehetra tsy ho latsaka amin’ny ady an-trano, hisorohana ny ra latsaka izy ireo. “Miantso ny olom-pirenena rehetra izahay mba hampanjaka ny fihavanana ka tsy hozarazarain’ny firehana tsy mitovy”, hoy izy ireo.