INDRAY MIJERY

Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara izay tarihin’ny filohany, Soja Fulgence. Tsy mbola nahitam-bokany hatramin’
izao ny fakana an-keriny niseho tany amin’ny faritra Androy sy Menabe. Efa ho herinandro no nisian’ny tranga nefa tsy misy ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana.

Tanora 25 niofana ho mpitarika no nizarana mari-pankasitrahana ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Fianarantsoa. Fanirian’ny tanora ny hisian’ny toeram-pampiofanana momba ny haitarika ao amin’ny oniversite Andrainjato. Ilaina amin’ny sehatra rehetra ny fahaiza-mitarika ary mila volavolaina amin’izany ny tanora.

Nankatoavina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta, ny herinandro lasa teo, ny didim-panjakana momba ny fanokafana lycée teknika sy ivontoeram-panofanana 10 amin’ny faritra maromaro manerana ny Nosy. Ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no tomponandraikitra amin’ny fandraisana ny fepetra rehetra momba izany.

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny société Sparkso, mandritra ny telo taona, hampiroborobo ny fampianarana niomerika. Manam-pahaizana amin’ny Blockchain sy ny services de web3 ity orinasa ity ary manana ny fahazoan-dalana eoropeanina hanapariaka ity teknolojia ity ho an’ny fampianarana niomerika.

Partager sur: