Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, hatao ny zoma 20 oktobra ho avy izao, ny manasa-dalana, Rugby Mondial 2023, any France. Ny ekipam-pirenen’i Argentine sy i Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Ny sabotsy ho avy izao, hifampitana amin’i Angleterre i Afrika Atsimo
Efa tafita any amin’ny Euro 2024, izay hatao any France i Portugal. Lavon’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 i Bosnie Herzegovine, ny alatsinainy lasa teo. Nahatafiditra baolina roa ho an’i Portugal, ilay mpanjakan’ny baolina kitra Portiogey, Cristiano Ronaldo. Marihina fa efa 38 taona ity lehilahy ity.
Victor Oshimen, Nizerianina mpilalao baolina kitra, tsy afaka hilalao mandritra ny 1 volana mahery. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tserasera omaly, misy ratra eo amin’ny faritry ny tongony. Marihina fa lohalaharana anisany kinga amin’ny famonoana baolina i Oshimen ary milalao ao amin’ny Naples Italie.
Ny alahady lasa teo, niondrika teo anatrehan’i Afrika Atsimo i France. Anisan’ireo mpilalao tena nahazo doka sy fankaherezana avy amin’ny rehetra
i Antoine Dupont, Frantsay mpilalao Rugby. Nilaza
i Thierry Henry, Frantsay mpanazatra ny ekipam-pirenena Frantsay zandriny fa tsara alaina tahaka ny zava-bitan’i Antoine Dupont.