Mandritra ny fidinana eny an-kianja : mila manaraka ny lamina ny mpanao gazety

Ny lalàna no arofanina ho an’ny asa fanaovan-gazety ao anatin’izao savorovoro politika sy krizy lalovan’ny firenena izao, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Harifeno Monica, afakomaly tetsy Ambodivona.
Manana ny lalàna 2020/ 006 tamin’ny 1 septambra 2020 iny ny mpanao gazety mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery. Voalaza ao avokoa ny zon’ny mpanao gazety sy ny andraikiny.
Anisan’ny mampisitraka ny zo fototry ny olom-pirenena hahazo vaovao marolafy, marim-pototra sy voamarina ary tsy mitanila ny mpanao gazety ao anatin’izao raharaham-pirenena mafampana izao.
Manana zo harovana ny mpanao gazety amina fotoana krizy toy izao satria miandrandra azy ireo ny olom-pirenena amin’ny fampahafantarana sy fanazavana ny vinan’ireo kandida izay milatsaka hofidina.
Arakaraka ny vaovao omena ny olom-pirenena no hahafahany manao ny safidiny.
Manaraka ny rindran-damina apetraka eny an-kianja amina fotoana, hetsika ara-politika amin’izao fotoana. Ny mpitandro filaminana sy ny OJM ary ny minisitera dia manana adidy miaro ny mpanao gazety mandritra ny fanatanterahany ny asany.

Tatiana A

Partager sur: