Fihantsiana sy fanapotehana fiara : nitory eny amin’ny zandary ny vondron’ny kandidà

Tsy nipetra-potsiny fa nitondra ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana ny vondron’ireo kandidà 11. Nambaran’izy ireo, omaly, tetsy Antaninarenina, fa manameloka ny tranga niseho tetsy Andavamamba izy mirahalahy avy.

Nitondra ny tenin’izy ireo tamin’izany ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo ka nilaza fa efa nametraka fitarainana eny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, taorian’iny zava-niseho teny an-toerana iny. “To­kony ho nandray fepetra manokana ireo mpitandro ny filaminana manoloana ny tranga tahaka ireny, ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy hiaro ny tombontsoa an’olon-tokana”, hoy izy ireo. Nohe­lohin’ireo kandidà 11 koa ny fanapotehana ny fananana sy ny fihantsian’ireo mpomba ny kandidà laharana fahatelo. Nohelohiny ny nanome baiko, nanakarama sy nampirisika hitarika ireny fifamonoan’ny samy Malagasy ireny. “Saina sy hevitra no ampiadiana raha te hanangana firenena vanona isika… Mitohy ary hihamafy ny fitakiantsika”, hoy izy.
Araraotina amin’ny fahasahiranana
Nanamafy izany ny kandidà Ravalomanana ny amin’ny tsy tokony hanekena ny ha­naovana ho fitaovana hampiasa herisetra sy fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy. “Aza manaiky hararaotina amin’ny fahasahirananao miady amin’ny fiainana, ka sandaina tolotrakely mandalo tsy mahavita taona, hampanaovanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritrao sy ny soatoavinao”, hoy izy. Niantso ny hananan’ny rehetra fahasahiana hijoro amin’ny maha izy ny tsirairay ny tenany. Sahia mijoro, ka aza manaiky atao fitaovana hisian’ny fihantsiana sy ny herisetra, araka ny nambarany. “Tsy mendrika antsika izany raha tena Ma­lagasy isika”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: