Tafakatra 120 ireo mpanao gazety efa nisitraka fiofanana niarahana tamin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI), raha ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Monica Rasoloarison teny Amboanjobe-Andoharanofotsy, ny 11 oktobra lasa teo. Manoloana ny kolikoly izay tsy mety foana eny anivon’ny sampandraharaha maro isan-karazany amin’izao fotoana, mpanao gazety 17 avy eto Analamanga indray nisitraka fiofanana teny Amboanjobe, ny 11 sy ny 12 oktobra teo. Nampahafantarina azy ireo misimisy kokoa ny andraikitra sahanin’ny CSI, izay novelabelarin’ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’io sampana io, sy ireo mpiara-miasa ao aminy. Navoitra nandritra io roa andro io fa anisan’ireo andry 12 mampijoro ny fampanjakana ny ady amin’ny kolikoly ny mpanao gazety. Hampahomby ny ady atao amin’ny kolikoly no anton’ity fampiofanana ity. Marihina fa efa nisy ny fampiofanana ny mpanao gazety tany amin’ny faritany, notarihin’ny CSI Madagasikara.
Tsiferana R.




