FANTINA sy FINTINA

Miantso fahamailoan’ireo terataniny ny masoivohon’i Frantsa, araka ny fanambarana eo anivon’ny ambasady, omaly. “Aoka isika hanaraka hatrany ny toromarika omen’ny manampahefana ary hitandrina tanteraka rehefa mivoaka ny trano, indrindra ny eto an-drenivohitra”, hoy ny eo anivon’ny masoivoho Frantsay.

Mitanila ny fanjakana, araka ny nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Olom-pirenena tomponandraikitra, tsy mikasi-tanana, tsy manimba sy mandroba fananan’olona no tonga teny Itaosy androany kanefa hery famoretana indray no setriny. “Mazava fa matahotra fifidianana madio izy ireo”, hoy izy.

Tsy hoe tsy vonona na matahotra ny kandidà, araka ny nambaran’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. “Mila diovina ny rafitra rehetra mba hiarahana manaiky ny voka-pifidianana. Anton’ny iadianay kandidà 11 miara-dia izany. Takinay sy itolomanay ny mangarahara tanteraka”, hoy ity kandidà laharana faha-13 ity.

Mitaky ny hampitsaharana ny fifandranintana ny eo anivon’ny FJKM. Nanao fanambarana ity fiangonana ity manoloana ny raharaham-pirenena hampitsaharana ny fihantsiana rehetra hiteraka ady ho tonga amin’ny ra mandriaka. Nampahery ny FFKM koa izy ireo amin’ny ezaka ataony hitandroana ny fahamarinana sy ny fihavanana.

Partager sur: