30% amin’ny vola hanatanterahana ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny VIH/Sida ho an’ny taona 2018-2022 ihany aloha no teo am-pelatanana sy nampiasaina hanatanterahana ny paikady samihafa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny fandaharanasa sy ny tohana teknika ao amin’ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny Sida (CNLS), Dr Rakotomalala Fara, omaly, teny Ampefiloha. Avy amin’ny Fonds mondial ny ampahany betsaka amin’io sora-bola kirakiraina io, eo koa ny mpanohana ara-bola hafa. Hatokana ho an’ny vondron’olona marefo iantefan’ny ankamaroan’ny asa ny sora-bola. Izay no tsy mahatapaka ny tahirim-panafody ARV ho an’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amintsika izay atao laharam-pahamehana. Ny «réactif» ampiasaina amin’ny fitiliana ny tsimokaretina no tsy ampy matetika, araka ny fanazavany ihany. Marihina isaky ny 1 desambra ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida. Eny amin’ny Parvis Analakely no handraisana ny hetsika amin’ity taona ity. Hisy tolotra ara-pahasalamana samihafa eny an-toerana miaraka amin’ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida satria hampanatonina olona ny fahazoana mahafantatra ny toe-pahasalamany. 400 ny isan’ny olona tombanana hanao fitiliana eny Analakely mandritra ny hetsika.
“Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida” satria tanjona ny hanafoana ny Sida hatramin’ny taona 2030. Hanao hetsika manokana koa ny fokontany Androndra iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BMH ahitana tolotra ara-pahasalamana sy fanentanana ary fanaovana fitiliana. Misy farmasia telo koa ahafahana manao fitiliana eto an-dRenivohitra anatin’io fotoana io.
Vonjy A.