Hijanona ao Antsiranana ny tranomboky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany, Logos Hope, manomboka ny 27 oktobra ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra mandritra io fotoana io ny tranomboky. Maherin’ny 5 000 ny boky haranty sy hamidy amin’ny vidiny mirary ho an’ny mpitsidika. Hita ao avokoa ireo lohahevitra isan-karazany toy ny siansa, fanatanjahantena, fandrahoan-tsakafo, zavakanto, fitsaboana, boky ho an’ny ankizy, rakibolana…
1 500 Ar isan’olona ny vidim-pidirana ho an’ireo 13 taona ka hatramin’ny 64 taona. Maimaimpoana izany ho an’ny olona 65 taona no miakatra sy ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona ka misy olon-dehibe manaraka. Handray an-tanana ny tapakila fidirana ho an’ny mpianatra miisa 100 ao amin’ireo ivontoeram-panofanana ao Antsiranana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hahazo tapakila 60 ny LTP Pk4 industriel, 30 ho an’ny LTP Pk3 commercial ary 10 ho an’ny CFP Antsiranana.
Vonjy




