Mifototra amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tetikasa “Fiovana” izay vatsian’ny USAID Madagasikara ary tanterahin’ny Adra. Tokantrano 71 476 no kendrena amin’izany.
Tamin’ity volana oktobra ity, mpikambana 120 avy amin’ireo vondron’ny anaka amin-dreny (M2M) napetraky ny tetikasa “Fiovana” eny amin’ireo fiarahamonina iasany no nahazo fiofanana momba ny fitahirizana sy ny fanodinana sakafo vokatra eny ifotony.
Tanjona ny tsy hahavery fotsiny ny vokatra rehefa tsy lany ara-potoana. Afaka ahodina ho azo amidy na hitsinjovana ny vodiandro ho merika indray izany rehefa nohamainina manaraka ny teknika ara-pahasalamana.
Mora simba, tsy azo tehirizina ela ny vokatra legioma sy voankazo ka anisan’ny hevitra mahomby ny fanamainana azy mba tsy ho lasa fatiantoka ho an’ny tantsaha.
Vondrona vehivavy sy renim-pianakaviana mandray fiofanana sy mifanabe amin’ny lafiny fahasalamana, sakafo, fanadiovana sy ny fidiovana any atsimon’ny Nosy ny M2M.
Hizara ny fahalalana azony amin’ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy izy ireo taorian’ny fihofanana ary hanaparitaka izany eny anivon’ny firahamonina.
Fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahafahana miatrika ny loza ho an’ny tokantrano no kendrena ao anatin’izany.
Tatiana A




