Voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2023 fa handoa hetra ny sekoly miahy tena. Tsy voakasik’izany kosa ny sekoly miankina amin’ny finoana, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miakina, Rakotomalala Célin, omaly. «Samy mandray saram-pianarana avokoa ny sekoly tsy miankina sy ireo sekolim-pinoana ka mahatsapa izahay fa fampisaraham-bazana ny samy sekoly ity fepetra manokana ity. Hatramin’izay, tsy manefa hetra ny sekoly miahy tena ka ho sarotra aminay ny hiroso amin’izany», hoy ny nambarany. Betsaka amin’ny sekoly ny ho tojo olana manoloana izany. Miankina amin’ny isan’ny mpianatra raisina sy ny zavatra maro ny famaritana ny saran’ny hetra hefaina.
Efa voafaritra ao anatin’ny lalàna fa tsy itataovan-ketra ny vola miditra amin’ny fikambanana ara-pinoana, ny fiangonana, araka ny ordonnance laharana 62-117 tamin’ ny 1 oktobra 1962. Samy asa fanabeazana ny zana-bahoaka ihany no sahanin’ny sekoly miahy tena sy miankina amin’ny finoana ka tokony hitovy koa ny fitondrana azy manoloana ny hetra.
Vonjy A.