Manana ny ekipa misahana ny asa sosialy ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH). Nanolotra fitaovana ho an’ny Lycée Joseph Ravoahangy Andrianavalona eny Andranonahoana Itaosy izy ireo tamin’ity herinandro ity.
Vidéo projecteur sy fafana lehibe hahafahana mandefa izany no natolotra.
Vidéo projecteur sy fafana lehibe hampandehanana izany no nomena ny sekoly. Fitaovana mamaly ny filan’ny Lycée izy ity hanampy betsaka amin’ny fampitana lesona ho an’ny mpianatra izay ataon’ireo mpampianatra. Manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro ny fampiasana ny fitaovana moderina.
Amin’ny maha departemanta minisiterialy misahana ny “modernisation de Madagascar” ny SENVH dia mifandraika amin’izay koa ny fitaovana natolotra ary araka ny filàn’ny sekoly amin’ny fampianarana.
Miisa 862 ireo mpianatra ao amin’ny Lycé hisitraka mivantana ny fampiasana azy amin’ny ireo lesona ampitain’ny mpanabe isan-kilasy. Nisantatra ny fampiasana ny fitaovana avy hatrany kosa ny mpianatra tao amin’ny kilasy “2nd I”. Nitarika ireo ekipa sosialy ny lehibeny Andriamanohisoa Liva.
Lalan-tsaina napetraky ny minisitra fitsinjovana ny sosialy ankoatry ny asa fampandrosoana. Miantsehatra amin’ny asa sosialy maro ny ekipa toy ny fampianarana, fahasalamana, fanentanana…
Tatiana A