Tsy manao ny “Ka tianao va?” intsony i Judicaël. Niteraka resabe tanaty tambajotran-tserasera ny fitarainan’i Thierra Bruno sy ny zanany fa tsy nanaja ny fifanarahana i Judicaël, nampindramina ilay hira “Ka tianao va?”. Taorian’ny fifampiresahana, nifanaraka ny roa tonta fa tsy hanao “cover” ity hira ity intsony ny tovolahy. Mila mifanaraka amin’ny mpamoron-kira kosa izay mikasa hanao izany.
R’Imanga Mandimby mihira an’i Bakomanga. Hontosaina anio ity seho ity, manomboka amin’ny 5 ora hariva, etsy amin’ny CGM Analakely. Seho maimaimpoana, entin’ny tarika R’Imanga Mandimby hamelomana indray ireo sanganasan’i Bakomanga. Hahazo laka ny hira sy dihy vakodrazana, ary fotoana hanehoan’ny tarika ihany koa io fa mandimby sy manohy ny zavakanto izy ireo.
« Ilay lolokely jejo ». Tontosa omaly, teny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, ny fampahafantarana ny boky « Ilay lolokely jejo » sy « I Vonindrano sy Zavonandro », boky mirakitra tantara, nosoratan’i Arikaomisa Randria. Nisitraka voalohany izany haikanto izany ny EPP Behoririka, Ampasandratsarahoby ary Andravoahangy.
“ICanto: Closer”. Tanterahina anio hariva, eny amin’ny efitrano malalaky ny Gara Soarano, ny fampisehoana “ICanto: Closer”. Ny tarika ICanto no haneho ny talenta sy fahaiza-manaony amin’ity anio ity. Hanakoako eny an-toerana, araka izany, ny “à capella” an’ireo hira malaza sy manana ny maha izy azy ankehitriny.