Psikology Andrianilaina Koloina: Mampikatso fiainan’olona ny fanaovana «harcèlement»

Ahitana ny «harcèlement» ny sehatra maro. Mi­te­ra­ka fikatsoana fiainan’olona maro anefa izany na an­kizy na lehibe. Mitarika hatrany amin’ny famonoan-tena mihitsy izany ho an’ireo sasany. Ha­naovan’ny Holafitry ny psykology loabary an-dasy ny momba io lohahevitra io amin’ny herinandro.

Hiresaka momba ny «harcèlement» na ireo karazana herisetra ny Holafitry ny psikology, mandritra ny zaikabe hataon’izy ireo any Toamasina, ny 28 oktobra izao. Nanazava ny filohan’ny holafitra, Andrianilaina Koloina fa mandravona teny maro ny «harcèlement» dia ny tsindry, fanadrohadroana, fanerena an-kolaka, fampihorohoroana sy ny sisa izay hiainana miverimberina ary hita eo amin’ny sehatra maro.
Anisan’izany ny sehatry ny fampianarana (ankizy samy ankizy; mpampianatra sy ankizy na ny mpampianatra sy ray aman-dreny). Miseho eo amin’ny sehatry ny asa (mpiasa sy mpampiasa; mpiasa samy mpiasa…). Hita eny anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana (zanaka sy ray aman-dreny; mpiray tampo; mpivady). Eo amin’ny olona manana fahasembanana sy eo amin’ny tontolo ara-panatanjahantena. Indrindra eny an-dalana sy ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ihany koa.
Ireo mpianatra no betsaka manatona psikology satria any an-tsekoly any no tena tsapa ny korontana. Miaina herisetra ireo olona mpanao herisetra ka lasa misetrasetra amin-kafa ihany koa izy ireny. Tsy voatery herisetra ara-batana fa mety ho fanambanimbaniana na levilevy na fandrahonana….
Vokatr’izany, lasa ratsy ny voka-panadinana, malaina andeha hianatra ireo ankizy na tanora. Mety hiteraka fikorontanana na fahasarotana na ihany koa sakana ho azy ireo izay iharan’izany eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ara-pitondran-tena, ara-pifandraisana, ara-batana…
Mieritreritra hatramin ’ny famonoantena na famoizam-po mihitsy aza ireo ankizy rehefa miaina isan’andro ny «harcèlement».
Manomboka kilasy fahaenina (6ème ) no tena mizaka ny karazana herisetra ny ankizy sy ny tanora. Efa miha tonga saina amin’ny tsy rariny mihatra aminy izy ireo. Na izany aza, misy ihany ireo miaina izany dieny mbola kely mihitsy, hoy hatrany ny psikology, Andrianilaina Koloina.
Mila ampianarina hiatrika fiainana ny fiarahamonina ary hatanja-tsaina ny ankizy. Na izany aza, tokony ho beazina hiala amin’ny herisetra miainga any an-tokantrano ary volavolaina hatrany an-tsekoly mihitsy ny ankizy.
Marihina fa miisa 54 ny psikology manerana ny Nosy. Tanora 5 isan-taona no mahavita fianarana miditra amin’ity sehatra ity.

Tatiana A

Partager sur: